|
|
|
|

Entry1  Voninkazo taratasy
Elementary words  2 vony, 3 hazo, 4 taratasy
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7 Rajaobelison Samuël
Full text  8 
9  Dodona aho hanimbolo
10  F'efa babony tontolo,
11  Kanjo he! mangasihasy!
12  Voninkazo taratasy!

13  Ny voninkazo-Nanahary
14  Ve tsy nisy? ka inona àry,
15  Ka inona no nanolorana
16  'Ty voninkazo torantorana?

17  Karazan-doko mahakofona
18  Fa tsy hanitra na fofona,
19  Nony'njay atao an-tratra:
20  Henjankenjana mandratra.

21  Samy voninkazo ihany:
22  Ny iray velomin-tany,
23  Dokadoka, lenodenoka,
24  Misy fofo-maharenoka!

25  Samy voninkazo ihany:
26  Ny iray namboarina any ho any
27  Lafo vidy, sarotsarotra,
28  Entam-barotra! entam-barotra!

29  Samy fotsy, samy mena,
30  Samy ngita raha jerena.
31  Ny iray, fahaizana hosodoko;
32  Ny iray, kilalaon'ny foko!

33  Eto an-tany koa dia misy
34  Toerana amboarina indrisy!
35  Maka tahaka ny lanitra,
36  Nefa tsisy fofo-manitra.

Updated on 2025/11/17